Mpihira | Mahaleo | Andriamanitra avo

Andriamanitra avo

    
    Ba gasy no tena tsara hitendrana azy fa mety 
    koa anefa raha atao tsotra ilay izy.
    
    A7	: x02020
    C7	: x12010
    Fm/C	: x33111
    F/A	: x03211
    
    C                           C7              A7                    
     Toa tsy ho ela dia ho foana izao tontolo izao
    Dm                       Fm/C           G
     Soa ihany aho fa nihaona sy nahalala anao
    Em                  Bb              F/A 
     Fa teny amoron-kady ny antsana no tazana
    Dm                  G                    C
     Nitodika aho nitady tsy sandry ihantsampazana
                
    Ny manodidina ahy toa maona sy pokaty
    Ny hatsaram-panahy nandositra sa maty?
    Na ny fitserana aza lasa nandao koa ny fo
    Tsisy teny ahalaza ny alaheloko
    
    Dm                    G
     Indrisy ny fitiavan-tena
    C                   Bb  A7
     Ny loharanon’ny malo--to
    Dm                         G
     Tsy mety ritra tsy hay fefena
    G                C     
     Ka lasa rano fisotro
    
    Tsy misy atahorana
    Hitsakitsahina daholo
    Nahilika nodorana
    Ny Fahendren’ny Ntaolo
    
    Fa tonga ianao nivatsy finoana sy fitiavana
    Handresy ireo ratsy hampiray, hampihavana
    Ka ny fitiavana no hasetriko ny sompatra
    Ny manodidina ahy ny fony iriko hisokatra
    
    Fa tsisy lalan-tsarotra
    Na fitsapana mety handavo
    Fa ao hitsinjo hanavotra
    Andriamanitra avo
    
    
    
    Zarao
    Nampidirin ny Gasytablature | février 16, 2013
    1 Star2 Stars3 Stars4 Stars5 Stars (No Ratings Yet)
    Loading...

    Dokambarotra




    Laisser un commentaire

    Gasytablature © 2017