Mpihira | Mahaleo | Ray sy zanaka

Ray sy zanaka

    Fanamarihana : Misy “capo” eo amin’ny “2eme case”, izany hoe D ny kileany fa C no hitendreana azy.

    C#dim : x45350
    Am/C  : Am ny "accord de base" fa C ny basy tendrena 
                   mitovy amin'ny x3x231, ohatr'izay ihany koa ireo 
                   sasany ireo. 
    
         C            C#dim
    Dia lasa indray,ity reninao
       Dm   C          G/B G 
    Milaza fa tena handao,
            Em       Am          
    Mikasa ny tsy hiverina intsony,
        Dm     C       G/B G  Em      G
    Fa tofoka hono ny fony      , oooo...
    
    Tsy tantiny intsony ny fahantrana, 
    Ka lasa izy tsy tamana
    Nitady toeran-kafa vaovao,
    Mba tsaratsara noho izao, ooo...
    
      Am             Am/Ab
    Efa nataoko izao azo atao,
       Am/G           Am/Gb
    Hamalifaliana ny reninao, 
                    Am           Am/Ab
    Saingy toa tsy tsapany izay vita rehetra,
        Am/G           Am/Gb       Am     G
    Ny sitrapony, tsy manam-petra, ooo...
    
    Isika mianaka no tavela irery,
    Voatery hifampijerijery,
    Ary koa, hifampikarakara,
    Ka aoka hifanaraka tsara a, ooo...
    
    Koa raiso ho namana aho
    Fa raha mbola misy ny azo atao 
    Tsy ho diso anjara mihitsy ianao
    Raha misy hery ao anatiko ao
    
     C                 C#dim
    Koa matokia izany menaky ny aiko,
          Dm    C          G/B          G 
    Ny anjara adidiko tsy maintsy ho vitaiko(2)
    
    Nefa ny tany mihodina hatrany 
    Mifandimby ny mangidy sy ny mamy
    Nefa aoka isika samy hino
    Fa ny reninao tsy manadino
    
    Varavarana no avelao hivoha, 
    Toy izany koa re ny fo
    Miandry ny andro hiverenany indray, 
    Ho tafahaona, ho tafaray, ooo....
    
    Koa matokia izany menaky ny aiko,
    Ny andro hiverenany no mbola antenaiko(2)
    
    
    
    Zarao
    Nampidirin ny Gasytablature | mai 17, 2012
    1 Star2 Stars3 Stars4 Stars5 Stars (No Ratings Yet)
    Loading...

    Dokambarotra




    Laisser un commentaire

    Gasytablature © 2017