Mpihira | Njakatiana | Ventson’ny selibatera

Ventson’ny selibatera

    E7	: 022130
    Fm	: 133111
    C7	: x32310
    
    
         C                       
    Efa hariva ny andro tamin’ izay
          Fm
    Vitsivitsy no nandeha
         Am          D7
    Tovolahy araiky zay
               G
    Nandalo tanananay
    
    Valizy hely lanjainy
    Ainga hainkaiza izy zegny
    Manano diha maika
    Arahina hazakazaka
    
         C
    Nantsovako mba anontaniako
       E7             
    Namaly izy miragna
                 F                  
    Tsy afaka hijanona satria
              G
    Mbola ho lavitra ny dia
               C    C7
    Ka niala tsiny hoe :
        F                 G
    Azafady zalahy fa tsy afaka
         C
    Ny hiandry e
            F           G
    Ny ali-mikitroka teteziko
          C
    Zaho maika
            F                E7
    Tsy anaro no tsy nampandroso
                Am  Fm
    Zaho te ho tonga
               C        
    Fa efa mandigny anah
    G          C
    Any zay malalako
    
    
    Miala tsiny zalahy fa
    Mbola ho lavitra ny handehanana
    Tsofy rano mbo tsy azo tsampona eny an-dalana
    Tsy fombako ny mandainga fotoana
    Fa efa mandingny anah
    Any zay malalako
    
    Nitohizany ny lalany
    Nidify izy de tsy hita
    Zaho kosa lasa saina
    Nieritreritra e
    Zegny tokotrany ny fitiavana
    Tsy maha lavi-tany
    Zay efa ao de tena tia
    Tsy mahatana tena
    
    Oviana vo mbo hisy
    Kara zegny aminah
    Zaho efa zatra tokana
    
    Zaho zegny lany fanahy
    Oviana vo mbo ho avy
    Ny anjarako mby ho avy
    
    Izaho tokana
    Mila namana
    O mba oviana
    
    Hatramizay zalahy
    Ny foko mbola mandry
    Fa nanambady aby ry zoky sy ry zandry e
    Zaho raiky tavela mipetraka
    Amoron-dalana
    Mandigny am-panontany
    Ahona ny fitiavana
    Oviana
    
    
    
    Zarao
    Nampidirin ny Gasytablature | février 16, 2013
    1 Star2 Stars3 Stars4 Stars5 Stars (No Ratings Yet)
    Loading...

    Dokambarotra




    2 Comments

    Add a Comment
    1. Fanitisiana, Fm: 133111 fa tsy 133211. Dia misy lokony koko izy raha Fm/C (x33111) na Fm7/C (x31111) no ampiasaina.

      1. Misaotra e! le Fm/C no tsaratsara fa sendra sahirana ihany ny votsavotsa. Zay no nanaovana azy tsotsotra aloha.

    Laisser un commentaire

    Gasytablature © 2017