Mpihira | Rolf | Mitandrema

Mitandrema

    
    C/A	: x02010
    Fmaj9	: x02011
    Am7	: x02010
    Am'	: x0x555
     
    C                   C/A                           
     Raha mahita ialahy olona tsara bika
    C                      C/A
     Mahay mihetsika, maharomotra toy ny alika
    G   F       C7       F        C        
     Mitandrema ialahy, mitandrema ialahy
    Fmaj9 Am7 Am'   Am'    Am            G
     Tsy     fingotra ny fiainana, mora tapaka.
    
    
    Hojerijereny ialahy, ho hitany fa tara
    Homeny toky ialahy dia mitsivalahara fa
       F          Am      F                 Am              
    Mitandrema ialahy, mitandrema ho aho ialahy
                   G       G F Em G C                          
    Fitaratra ny fiainana
    
    mora vaky
    
    Tsy fantatr’ialahy izy sy ny ditrany taloha
    Omeny an’ialahy izy sy lozany koa moa ka
    
    Mitandrema ialahy, mitandrema ho aho marina moa e
    Taratasy ny fiainana, mora rovitra
    
    
    Izao ialahy izao matahotra mipitrapitra
    Maniry mitalaho tsy ho sompatra ny ditra
    Mahazo tsirony ialahy, nahazo nofiratsy koa
    Ataovy anatra ireo maty rehetra voan’io ka
    
    Mitandrema ho aho tamin’ialahy
    Mitandrema ho aho tamin’ialahy
    Mitandrema ho aho tamin’ialahy
    
    Ny fiainana mbola lava, sao dia tapaka, vaky na rovitra.
    
    
    
    Zarao
    Nampidirin ny Gasytablature | février 16, 2013
    1 Star2 Stars3 Stars4 Stars5 Stars (No Ratings Yet)
    Loading...

    Dokambarotra




    Laisser un commentaire

    Gasytablature © 2017