Mpihira | Samoela | Rava

Rava

    
         C           G             
    Dia rava tanteraka tokoa moa 'zany
      F                 C
    'Lay fitiavantsika roa
        F                   C
    Mangina aloha fa mbola voa
       F                G
    Marary fo sy miasa loha
     
    Ilay fitiavantsika ts'isy raha nanjary
    Rava ity no niafarany
    Samia mandini-tena aloha
    Raha manina dia mba miantsoa
    
         Am            Em
    Toa latsalatsa sy vazavaza
       Am               Em
    Ianao no tena basy vava
    'Reo fianakaviana koa mba niangaviana
    Mainka koa nanisy sira
    Mamoron-dainga sy mifosa lava ô
    Ts'isy zavatra mazava
    Mihatsaravelatsihy misaron-tava
    Fita-bitro lalandava
    'Lay tokantranontsika mila ho rava
    Ts'isy mba nandanjalanja
    Ketoketoka matetitetika
    Maka lagy sy manjetoka
    Manana ny adala ka manampim-bava
    Aiza ihany ilay mazava
         Am                Em
    Rahovina re vao mba hisava 
         Am                 Em                C       
    Angatahana amin'ny Avo lalandava mafy fa satria...
    F  G                  C     
     'Zaho mbola tia an-dry
    F  G              Am                   F  
     Mbola tena mankafy ho'aho 'zaho oh oh oh
       G                  C
    Mahita tsirony amin-dry
    
    
    Dia rava tanteraka tokoa moa 'zany
    'Lay fitiavantsika roa
    Mangina aloha fa mbola voa
    Marary fo sy miasa loha
    Ilay fitiavantsika ts'isy raha nanjary
    Rava ity no niafarany
    Samia mandini-tena aloha
    Raha manina dia mba miantsoa
    
    'Lay mody ato an-trano ts'isy teny mamy
    Fa laginina avy hatrany
    Manangam-bovona tsy mety mirana
    Mampandainga manahirana
    Ny hasarotam-piaronao mameno trano
    Iretsy koa milaza angano
    Tsy maraina, tsy hariva, tsy atoandro
    'Zany ny analanao andro
    Ny ato an-trano lasa tsakin'ady
    Atin-kena miampy lagy
    Vao lalovan'ny mpanatsatso
    D'efa mahonena sy mijaly
    Isika roa angamba hitoka-monina
    Any alavitra tsy koboko any
    Any angamba mahafinaritra e
    Angatahana amin'ny tena Andriamanitra satria...
    'Zaho mbola tia an-dry
    Mbola tena mankafy ho'aho 'zaho oh oh oh
    Mahita tsirony amin-dry
    
    'Lay mody ato an-trano...
    
    'Zaho mbola tia an-dry
    Mbola tena mankafy ho'aho 'zaho oh oh oh
    Mahita tsirony amin-dry
    Mbola tena mankafy ho'aho 'zaho oh oh oh
    Mahita fafiny amin-dry
    
    
    Zarao
    Nampidirin ny Gasytablature | janvier 8, 2013
    1 Star2 Stars3 Stars4 Stars5 Stars (No Ratings Yet)
    Loading...

    Dokambarotra




    2 Comments

    Add a Comment
    1. Andry Finaritra Rajonson

      ary ahoana kay azafady ny rythme?

      1. Ny rythme aloha tsy misy fa mila miheno an’ilay hira dia manaraka an’ilay izy

    Laisser un commentaire

    Gasytablature © 2017