Toro-hevitra guitare (Debutant – barazy, barrage, accord barré)

Matetika ny gasy vao nahaihay akoro kely vao hoe resaka barazy dia “matahotra” sy milaza fa tsy mahay an’izany. Nefa ny barazy no akoro farany ilaina indrindra ary ahafahana manao hira marobe rehefa hay sy maneno tsara ny fitendrena azy. Ohatra akaiky indrindra amin’ny barazy dia ny akoro E na Mi. Jereo tsara ilay pozin’ilay tanana amin’ilay akoro voalohany E1 dia andeha hovaina ilay tanana eo amin’ny E2. Izany hoe lasa tsy mitendry intsony ilay fanondro. Io E2 io no tanana fitendrena barazy.
Akoro

Andeha ary ho jerentsika ny fahazoana ny akoro sasany nefa mialohan’izay dia mila mahafantatra ny fandehan’ny gamme isika. Raha miainga amin’ny E (Mi) isika dia misaka case iray dia mahazo F (Fa), raha case telo dia mahazo G (sol) dia ohatran’izay hatrany hatrany,


E +1case F +2case G +2case A +2case B +1case C +2case ….

Manome ny akoro barazy
Akoro


Jereo fa ilay pozin’ilay tanana tsy miova mihitsy fa mihisaka miakatra manaraka ny “case” fotsiny. Ny eo anelan’elan’ireo indray no ahazoana ny dieze sy ny bemole


E +2case F# +2case G# +2case Bb +2case Db +2case Eb +2case ….

Ny akoro mineur dia azonao alaina tsotra fotsiny,
Akoro


ary ny majeur 7eme dia afaka alaina barazy ihany koa
Akoro


Araky ny hitanareo dia miamiakatra ilay “son” (lasa “aigue”) raha vao miakatra ny case. Izany hoe tsy dia tsara raha hoe D barazy mampiasa six corde noa ampiasana. Misy koa ny barazy mampiasa 5 cordes. Eo amin’ny A (La) ny fiaingany. Eto dia mariako fa samy manana ny fitendriny azy ny olona fa arakarak’izay mety aminao ihany io. Dinihantsika ary ireto pozina tanana amin’ny A ireto
Akoro


Hitantsika fa amin’ilay fitendry A2 tsy miasa ny fanondro. Iny indray no hanampy anaovana ilay barrazy. Eto dia nasiako marika hoe tsy maneno ilay E kely (6eme corde) satria tsy voatery hitovy ny tanana ny olona rehetra.

dia manaraka ilay toro-marika tetsy ambony fotsiny mitady akoro hafa.


A +2case B +1case C +2case D +2case E ….

Ireto avy ilay naoty dia jereo fa ny tanana tsy miova mihitsy.
Akoro


Ireto avy ny mineur an’ilay izy
Akoro


Ireo avy ny majeur 7eme an’ilay izy
Akoro


Anjarantsika fotsiny zany no mandanjalanja hoe aiza no tokony alaina ilay naoty. Afaka ataonao aminy barage zany ny fanazarantena tsotsotra


G – C – D – G – Bm – C – D – G

zay indray aloha no masaka dia aza adino no manindry ilay ankihibe mangamanga kely 🙂

Zarao
Updated: décembre 4, 2017 — 17:50
Gasytablature © 2018