Toro-hevitra guitare (Debutant)

Rehefa hainao tsara ny toro-hevitra tatsy amin’ny grand debutant dia somary hiresaka zavatra lalindalina isika eto. Ny antony iray mampiavaka ny mpitendry eny ambony tamboho sy ireo olona nianatra dia ny famoronana akoro, izany hoe, inona no mandrafitra ny akoro iray ary ahoana ny nanamboarana azy. Tsy hidirantsika lalina ny amin’izay fa andeha hianatra ny atao hoe “7eme” isika. Ireto ny naoty vaovao hampidirana ao amin’ny gamme de C majeur
Akoro


Lasa toy izaho indray ny famerenana azonao ataonao

C–Am–Dm–G7–C–E7–F–G7


Inona moa ny atao hoe “7eme” ary rehefa inona izy no ampiasaina? Ny fanazavana tsotra indrinda dia ny hoe raha amin’ny hira tsotsotra dia miantso ary mampiditra accord de “F” ny 7eme raha amin’ny “gamme majeur”. Ataoko ao anaty faraingo sosona ilay izy satria amin’ny C ihany io no marina, ohatra ny C7 dia miantso F ary ny G7 dia miantso C, izany hoe amin’ny akapobeny dia ny naoty manaraka ny X7 dia ilay “F” amin’ny akoro ny X 🙂 na koa hoe lay “4eme” na IV amin’ilay akoro (lasa matematika izy zany).

Hanampiantsika ireo akoro etsy ambony ary matetimpindraka amin’ny hira malagasy dia ny C7 amin’ny “gamme” de C. Toy izao ny firafitrany
Akoro


Izao ny fahamerenana azonao atao

C–Am–Dm–G7–C–C7–F–G7


Somary nosolointsika le E7. Raha hiditra amin’ilay refrain an’ny “Kotrobaratra” iny zao dia manao C7 satria handray F.


 
M
C7 
afy ny herimpit
F 
ia 
 
aro
 
Hitan
G 
ao fa na dia mang
C 
itsy ny andro  
Am 

Ilay hira Jangobo koa afaka atao tsara amin’ireo.

Mazotoa indray aloha dia aza adino ny fanondro mangamanga kely etsy ambany

Zarao
Updated: février 2, 2018 — 20:53
Gasytablature © 2018