Toro-hevitra guitare (Grand debutant)

Toro hevitra tsotsotra hoan’ireo vao handray gitara ka tia hianatra ary mankafy ny vazo eny ambony tamboho. Mety efa misy mahay be zao mamaky an’ity fa aza omena tsiny raha misy ny indro kely. Matetika dia miatomboka amin’ireto foana ny ankizy rehefa mianatra
Akoro


Eto ny “chiffre” dia manambara ny tanana ka
1:fanondro, 2:fanondro adala, 3:manarapoana, 4:ankikely

Sarotra nefa ny mitendry F raha vao hiatomboka mitendry ary io foana no mahakivy ny ankizy satria tsy mety maneno ilay guitare (tsara kokoa raha korde nylon no hiatombohana mianatra gitara satria ireny mora potserina). Ilay fanondro mantsy mila manindry korda roa. Ireto aloha ianarana atao izay mampaneno azy
Akoro


Rehefa maneno tsara ireo dia afaka ampiana amin’izay lay Fmaj7 mba ho feno ilay feo. Any aoriana any isika dia hanazava ny atao hoe maj7. Vitsy ihany ny hira afaka hiraina raha ireo fotsiny. Ohatra raha atao C ilay “Kotrobaratra” dia manome

 
Tsy di
C 
niko 
 
ar
G 
ô, tsy diniko  
C 
eky 
 
e
 
Ny tsy ah
F 
ita anao an
G 
atin’ny andro marom
C 
aro
 
Jerij
C 
ery anao m
G 
afy izaho rô malal
C 
ako
 
K’iz
F 
agny no mahatonga z
G 
aho
 
Hamangivangy an
C 
ao 
 
matetika

Vitsy anefa ny hira mampiasa ireo naoty telo ireo. Ireto telo ireto no manampy azy ary ahafahana manao hira maro be ohatra: Kaiamba, Mahaleo sasantsasany, ireny Rnb Mr Sayda sy ny ry Roots ireny,….). Ireto ny “gamme mineur” amin’ny akoro C.
Akoro


Toro-hevitra fotsiny ilay pozin’ny tanana fa eto dia samy manana ny azy ny olona tsirairay. Mora tendrana avokoa ireo naoty ireo ary izao ny hanaovanao azy rehefa manao famerenana

C-Am-Dm-G-C-Em-F-G


Hafaka andramanao ohatra ilay hiran’ny Mahaleo hoe “Hanaraka anao” atao amin’ny fomba tsotsotra

 
Hana
C 
rakan
Am 
ao toy ny a
Em 
lok
Am 
a
 
Ka ts
Dm 
 
hifand
C 
ao raha tsy andro tena m
G 
aloka
sns….

Na ilay “j’entends siffler le train”

 
J’ai pens
C 
é qu’il valait mie
Am 
ux
 
Nous quitt
Dm 
er sans un adieu
 
Je n’aura
Dm 
is pas eu le c
G 
oeur de te revo
C 
ir
sns….

Rehefa hainao tsara ireo dia efa tsy “grand” debutant tsony enao fa efa debutant amin’izay ka afaka mianatra tonalite hafa.

Raha misy fanontaniana dia apetraho etsy ambany!

Mazotoa

Zarao
Updated: novembre 20, 2017 — 08:56

1 Comment

Comments are closed.

Gasytablature © 2018